Ireo sakafo fady ho an’ny Jiosy

Lév 11.1-12.8

ato no voatanisa ireo sakafo fady ho an’ny jiosy, indrindra moa fa tsy azo kasihina mihitsy izy ireny. Anisan’izany ny katsatsaka sy ny tarondro (tanalahy). Ao ihany koa ny voalavo sy ny totozy. Io angamba no tena aro tsara indrindra @ peste.

Maloto ny vehivavy avy miteraka mandritra ny fito andro aorian’ny andro iterahany

Ps 38

Car mes iniquités s’élèvent au-dessus de ma tête; Comme un lourd fardeau, elles sont trop pesantes pour moi….Ne m’abandonne pas, Eternel! Mon Dieu, ne t’éloigne pas de moi! Viens en hâte à mon secours, Seigneur, mon salut!

Ireo angamba no azo amehezana an’io andalanteny nosoratan’ny Davida io. Mavesatra dia mavesatra ny fahotany, moa ve isika mba mahatsiaro ny vesatry ny fahotana? sa zavatra maivana sy tsy misy dikany amintsika izany?

Prov 7.6-27

Ny fahadalan’izay mandeha manaraka ny filany vehivavy janga…làlana mankamin’ny fahafatesana tsy azo odivirana.

Matt 12.1-32

Jesosy sy ny sabata: Ny mpianany mitsindroka vary eny antsaha @ andro sabata. Jesosy manasitra olona maty tanana. Jesosy manasitrana olona moana marenina misy devoly. Tsy fahagagana izany ho an’ny Jiosy izay te hamono azy mafy (nahoana no tiany vonoina? satria tsy manaraka ny didy sy fitsipika feheziny) fa asan’ny devoly.

Ny filazan’i Jesosy fa tsy misy famelankeloka mihitsy ho an’izay miteny ratsy ny Fanahy Masina

One Response to “Ireo sakafo fady ho an’ny Jiosy”

  1. Zaka Says:

    “Car mes iniquités s’élèvent au-dessus de ma tête; Comme un lourd fardeau, …” (Ps. 38)

    ==> “Venez à moi, vous tous qui êtes accablés sous le poids d’un lourd fardeau, et je vous donnerai du repos. ” (Matio 11:28)
    – Tena valin’io tenin’ny mpanao Salamo io izany. Fa marina fa raha tsy
    tsapan’ ny olona akory hoe mavesatra noho ny fahotana izy, aiza no
    itadiavany izay afaka hilanja izany mavesatra izany!

    ” Prenez mon joug sur vous et mettez-vous à mon école, car je suis doux et humble de coeur, et vous trouverez le repos pour vous-mêmes.
    Oui, mon joug est facile à porter et la charge que je vous impose est légère.” (Matio 11:29,30)
    – Fa ho an’izay efa nanatona ny Tompo mba hanamaivana ny entantsika,
    matetika hadinontsika ireo “instructions” anakiroa izay azavain’ny TOMPO
    ireo :
    1- Ento ny ziogako (fa maivana ny ziogako ary entana maivana no
    hapetrako ho entinareo).
    2- Mianara amiko (… fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po aho)

    Ilay mianatra eto mazava : aoka isika hahay hanetry tena sy halemy
    fanahy, tahaka Azy izay antsointsika ho Tompo sy Mpampianatra.

    Ilay zioga entina kosa dia araka izay ambarany ao amin’ny Jaona 15:10
    “Si vous obéissez à mes commandements, vous demeurerez dans mon amour, tout comme moi-même j’ai obéi aux commandements de mon Père et je demeure dans son amour.”
    ==> ny didin’i Kristy (”mampianara azy hitandrina izay nandidiako anareo)
    . Io no zioga maivana. Ny didin’ny Ray dia navesatra ary tsy haintsika
    olom-belona ny nitondra azy, nefa ilaina entina izany mba hananantsika
    fahamasinana tahaka an’Andriamanitra. Fa ankehitriny, efa nisy (ary misy)
    an’i Kristy nitondra izany zioga mavesatra izany, koa dia omeny zioga
    maivana isika. Koa ankehitriny, aoka isika hazoto amin’ny fitiavana izay
    nandidian’i Kristy antsika mba hitoerantsika amin’ny fitiavany, izany hoe
    mba tsy hiverina hilanja ny zioga mavesatra indray isika.

Leave a Reply

You must be logged in to post a comment.