Jehovah no anjara lovako sy kapoakako
Friday, July 2nd, 2010"Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho." (Salamo 16:5-6)
Mamy tokoa ny tenin’Andriamanitra ka tsy lany hamamiana isanandro isanandro. Ity androany tia zao de mahafinaritra mihitsy.
Tsara sy avo loatra ny tian’ny mpanoratra ny salamo holazaina, ka sahirana na ny hainteny sy ny haisoratra isankarazany hampita izany.
Asa na tsikaritrareo fa hoatry ny tsy feno avokoa ny fandikana, na @ny teny gasy na @ny version frantsay na ny anglisy? Tsara homarihina ihany koa fa ny salamo dia matetika miendrika tononkalo, ka misy rindra sy lamina mahakanto azy, na @ hevitra na amin’ny feony (fanononana azy). Tsy tanteraka anefa ny dikanteny, ka tsy ho hitantsika mihitsy izay rindra sy kanto izay @ dikanteny gasy. Fa mila miverina @ hebreo tranainy isika angamba vao hahatsikaritra izany.