Archive for May, 2010

OZONA – sao dia misy ozona ary ny fiainanao?

Tuesday, May 4th, 2010

Nisy fanontaniana maromaro nipetraka tao @ groupe baiboly manontany ny resaka momba ny ozona, hoe ahoana no fanalana ozona. Inona no fomba atao, inona no tena mety sy efficace. Nanosika ahy izany hiresaka kely momba ny ozona

Na ny testamenta taloha izay mandika ny ozona (curse) @ teny hebreo "’a?rar" na ny testamenta vaovao izay mampiasa ny teny grika hoe "katara" dia mitovy ihany ny heviny @ fampiasana azy hoe :  antso (vavaka) @ Andriamanitra hahatonga loza na "fady" ho an’ny hafa.

Ireto no tsara marihina

- Andriamanitra irery ihany no Tompon’ny ozona. Izy no mifehy ny zavatra rehetra. Ka tsy misy ozona manankery raha tsy avy Aminy. Tsy ny vavan’ny olona akory, na ny devoly, na ny mpimasy, na ny odigasy …sns no ozona tokony hatahorantsika… fa ny ozona avy amin’Andriamanitra: Izy aza no nampitondra ozona voalohany indrindra ary lehibe tany amboalohany tany rehefa nivoana isika olombelona t@ fahotan’i Adama sy Eva .  Gen 3.

(more…)