Archive for February, 2010

Thèmes biblique mahafinaritra

Saturday, February 20th, 2010

Thèmes biblique mahafinaritra

Asa na mahaliana anareo fa ato izao misy themes be dia be araka ny baiboly. Ny mampiavaka ity site ity dia tsy mba manao fanazavana lavabe izy ireo na mampiseho ny heviny, fa dia mitanisa fotsiny ny tenin’Andriamanitra mahakasika ilay thème. Ny tenin’Andriamanitra nno manazava azy automatique. Tsy ratsy an.

Thumbnail via WebSnapr: http://www.bibletopics.com/

Dia mazotoa aby mandinidinika zavatra araka ny fanazavan’ny soratra masina

N&J R

Fahotana ny Homosexualité

Friday, February 19th, 2010

Asa na hitanareo fa nivoaka omaly ity baiboly ho an’ny gay ity

http://www.prweb.com/releases/2010/02/prweb3615254.htm

 

Ny homosexualité dia fahotana, ary noraran’Andriamanitra ary nasainy nofadiana!! na dia misy aza ny tsy mankasitraka an’izany ary nitory t@ tribunaly fa diso hono ny voasoratra ao @ dikateny sasany milaza fa ota ny homosexualité, tany Michigan, source CPDH.info

Ireto andininy ireo dia manambara mazava fa fahotana ny homosexualité: Genesis 18,19 (fiainan’ny sodoma sy gomora), Lev_20:13Jdg_19:22; 1Ki_14:24; Rom_1:26-27, 1Co_6:9; 1Ti_1:10; Jud_1:7

Ary na ny baiboly aza dia milaza fa contre-nature izany, mazava tsara moa izany @ dikanteny hafa ankoatry ny @ teny gasy (fa @ teny gasy tsy dia voalaza loatra hoatran’zany, asa io lay pudeur malagasy?) (Rom 1, Jud 1)

(more…)

Mifaly, mivavaka, misaotra

Friday, February 12th, 2010

"Mifalia mandrakariva.Mivavaha, ka aza mitsahatra.Misaora amin’ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’ny Kristy Jesosy ho anareo." (ITesaloniana 5:16-18)
"Soyez toujours joyeux.Priez sans cesse.Rendez grâces en toutes choses, car c`est à  votre égard la volonté de Dieu en Jésus Christ." (IThessaloniciens 5:16-18)
"Rejoice always.Pray without ceasing.In everything give thanks, for this is the will of God in Christ Jesus toward you."(IThessalonians 5:16-18)

Vakio ato

Mahafinaritra be ty andininy androany ity, fa milaza zavatra 3 izay tena SITRAPON’Andriamanitra ho antsika, ary tena MAHASOA antsika 100 %.Na inona na inona zavamitranga, na aiza na aiza, na @ fotoana inona dia ireto foana no atao… (ho an’izay tsy mahita atao zany dia efa manararaotra eto @ torohevitra..lol)
- MIFALY
- MIVAVAKA
- MISAOTRA
Izany no soatoavina nampianarin’ilay Tompontsika antsika.Rehefa tsy manao an’ireo ianao @ andrompiainanao rehetra dia
- raha tsy mahay mifaly @ zavatra rehetra: dia ho avy ny fimonomononana (râleur), tsy fahaizana mankasitraka, ny fahatezerandava, lasa feno
fahasorenana lalandava, ho mora kivy foana, ho be fialonana … sns
(more…)