Lalàna amin’ny tany miady…

Tokony tsy ho variana isika fa aoka ho “sensible” @ famantarana manodidina antsika izay miseho sy mameno ireo filazambaovao maro samihafa. Indindra moa fa manoloana ny fihetsiketsehan’ilay ratsy (Satana)…  

Asa na tsapanareo na tsia fa misy hetsika mafy tato ho ato ataon’ireo mpino silamo hanaparitaka ny finoany. Fomba maro no ampiasainy amin’izany. Tsy hitanisa aho afats’ireto vitsivitsy ireto.

- Fanenjehana: izay mihamafy eran’izao tontolo izao porofon’izany tato ho ato dia nihamafy ny fanetsiketsehany ny vondrona kristiana manohana ireo fiangonana voahenjika (portes ouvertes http://www.portesouvertes.fr/ ) satria nitombo izay tsy izy ny fanenjehana eran’izao fotoana izao. Ny tena lohalaharana amin’izany (amin’ny habetsahan’ny fampihorohoroana) dia ny silamo @ firenena anjakan’izany fombampivavahana izany, ny manaraka dia communistes (corées du nord sy chine) ary ny hindouiste(inde)

- Anisan’ny tanjon’ny fivondronamben’ny silamo ny hahazo izao tontolo izao (conquerir) @ fomba rehetra na mora na sarotra (izay no ilazako azy satria tsy afaka miteny aho hoe illegal sy legal satria hafa mihits ny azy ny lalàny)…Ny tena fomba fanaony dia ny “pression” sy “intimidation”. Izany hoe fanerena ireo eo ambany fahefany hanaraka ny fombapivavahany. Ohatra ny silamo iray dia tsy maints manery ny teranany mba hanaraka ny fombapivavahany silamo 100%, toy izany koa ny vady, raha manana fahefana @ fianakaviana moa izy dia ampiasainy mihitsy izany.

Miha mihanaka izany fanerena izany ka tonga hatrany amin’ny sehatra hafa toy ny toeram-pampianarana, toerampiasana (any @ tany anjakan’ny silamo). Voahilika ireo izay tsy manaraka ny firehana na ny fivavahana silamo ary voatery vozona hanaraka izany. Raha ny fanirian’izy ireo dia hiparitaka izany lalàna izany eran’izao tontolo izao….angamba ho avy atsy ho atsy ny fanerena ny olona hitondra marika silamo vao hahazo hividy na hivarotra na hanao zavatra (izay mety efa mihatra @ ireny firenena silamo ireny, ohatra fitondrana voaly sy famantarana hafa arapitafiana)…io ve ny marika 666 izay ho avy tsy hoela??? asa

- raha hiverina @ resaka spam sy ny terrorisme na anarchisme sur internet dia efa betsaka izy ireo no manao izany. Satria tsapan’izy ireo fa ny internet dia fitaovana iray midadasika izay tsy ahitana mpifehy na fitsipika manelingelina hany ka mora ho azy ireo ny manaparitaka ny firehany, mety ho amimpanajana izany na aminkery sy fanimbàna mihitsy aza…Efa nisy moa ireo site web izay potik’ireo hacker silamo…Koa izany no tokony hahamalina antsika ihany @ sehatra izay misy antsika , satria tafiditra @ cible ho azy ireo isika.

Maro ireo silamo amin’izao fotoana izao no mandray toetsaina vy-very-aina (suicidaire) manoloana ny tolona izay atrehany. Satria toa efa mahatsapa hatrany izy fa tsy hahazo na oviana na oviana ny fandresena (toa an’i satana manoloana ireo anjelin’Andriamanitra) ka hany sisa ataony dia ny mikatsaka ny hiteraka fahasimbana be indrindra (plus de degât possible) ho an’ny mpifanandrina aminy (miaraka @ tenany). (Taktikan’i satana @ izao fotoana). Matetika koa ny silamo dia voataiza amin’ny fiainana ady, ary misy aza vao teraka dia nikolokoloina ho amin’ny ady…(mino aho fa tsy ao amin’ny ran’ny firenena silamo no tia ady fa ny fitaizana sy ny fombampivavahany no miteraka izany)

Isika kristiana anefa dia tsy toy izany, fa toa olon’ny fandriampahalemana, olon’ny fiadanana, olon’ny fihavanana, eny fandeferana sy fitiavana…indraindray tsy miady ho an’ny tena fa manolotra ny aina aza ho an’ny hafa tahaka ny nataon’i Jesosy Kristy.

Na izany aza,… dia misy ny ady. Na dia hoe “mandry fehizay” (paix) aza ny tany,… dia misy ady any ambadika any, .. mety ho lavitra anao, …misy koa nefa eo akaikinao. Io indrindra anefa no tsy mba tsikaritsika.

Ilay ady akaiky, tsy hita; mety ho ivelany mety ho anaty. Io ilay ady ifanaovan’ny ratsy sy ny Tsara, hanoheran’i satana an’i Jesosy, …isaminitra maro no zavatra potika noho izany ady izany, na ao ampotsika izany na hita sy tsapa manodidina antsika.

Tsy hoe te hanozongozona ny fiadananao akory ny tenako (paix interieur) satria fantatro fa rehefa manana ny fanahy izaho sy ianao dia miadana ampo (Gal 5:22), sady fantatro koa fa na hisy ady na tsy hisy ny fontsika miadana foana satria omen’ny Fanahy fiadanana.

Fa te hanaitra anao, eny, te hamoha izay matoritory.

Enga anie isika rehetra mba tsy ho toy ireo miaramila sasany izay anisan’ny nangonin’i Gideona hiatrika ady t@ andro fahizany. Izay nisotro aminkantendana, ka namela ny fiadiany sy nanao ankilabao ny “vigilence”-ny ary nanao tsinotsinona ny fahavononany hatrany na @ fotoana inona na tsy @ fotoana, hiatrika ny fahavalo.(Mpitsara 7:4 ).

Ho isan’ireo telonjato nosinganin’Andriamanitra hiatrika ny ady sy hitondra ny sabatra ve isika, sa ho ilay ambiny sisa, tsy mendrika handray ny sabany sy hitondra ny voninahitry ny fandresena?

Aoka anefa tsy ho entimpo loatra isika ka tsy ahafantatra ny namana sy fahavalo, fa ny adintsika tsy @ nofo amandra, tsy @ ‘i Rakoto na Rabe, tsy @ jihad sy ny silamo, fa amin’ny fanapahana, fanjakana ary fahehan’i Satana izay mandrendrika izao tontolo iainantsika izao.Efesiana 6:12.

Na dia maheno isika indraindray filazan’ady “declaration des guerres” atsy sy eroa, ao koa ireo fanentanana ho amin’ny ady na koa terrorisma ataon’ny firenena na vondronolona maro eran’izao tontolo izao…na toa tsy mahakasika antsika mivantana aza izany, dia mampahatsiahy antsika foana fa misy ady atrehantsika ary tokony ho vonona sy miady isika:

Raiso ny fiadiana ry havana

Ampiharo ny “loi martial” eo @ fiainanao, ario ny rendrarendra sy ny adaladalàna, fa ady no atrehana

Efesiana 6:11-17

Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly. Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra [lanitra].

Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo.

Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo;

Ary ho fanampin’izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipika marehitra rehetra izay alefan”ilay ratsy.

Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;

A nous la victoire!!!

Antsika ny famonjena!!!

Victory to us!!!

Miaraka @ Jesosy Kristy

Mandrapanoratra

Revi
http://rhevi.free.fr

Leave a Reply

You must be logged in to post a comment.