Da vinci code…
![]() |
Da Vinci Code
Nalaza be ny tantara Da vinci code izay notontosain’i Ron Howard izay nanokatra ny festival faha 57n’ny Cannes. Ny tantara dia nosoratan’i Dan Brown t@ taona 2003 izay mifototra amin’ireto hevidehibe ireto: (miala tsiny fa @ teny frantsay):
- Un : Jésus s’est marié avec Marie-Madeleine.
- Deux : ils ont eu une fille dont la descendance est à l’origine de la lignée mérovingienne des rois de France.
- Trois : « le Vatican » a caché tout ça depuis le début pour asseoir un pouvoir patriarcal et supprimer le culte du « féminin sacré » de la religion païenne pré-chrétienne.
- Quatre : seule la société secrète du Prieuré de Sion sait la vraie vérité, et la transmet aux initiés qui sont la cible de l’Église catholique et de ses milices, notamment l’Opus Dei.
- Cinq: Da vinci un savant philosophe artiste né en 1452 mort en 1512 a caché “des secrets” dans divers de ces oeuvres ( Mona Lisa, l’Homme de Vitruve, la sainte saine, la vierge aux rochers,…) Ito farany moa dia voamarina aratantara fa nametraka tenimiafina @reny asatanany ireny mba ho hitsikerana ny fitsipipifehezana t@ zany fotoana izany napetrak’ireo mpitondra fivavahana izay manda sy manameloka ireo izay mitondra hevibaovao aratsiansa hanohintohina ny dogme t@ zany fotoana (toy ny fahalalana fa mihodina manodidina ny masoandro ny tany, boribory ny tany, ny fifandraisan’ny fiakaran’rano sy ny masoandro, sns…) indrindra moa fa @ maha mpitsabo azy dia nanao fandrasana miafina (dissection) t@ na faty izy ho fianarana.
Satria moa matetika dia ny mpitondra fivavahana no mpanjifa lehibe indrindra t@ zany fotoana izany amin’ireo asatanana isankarazany, dia tsy indray tsy indroa i Da vinci no manao fanahy iniana manome endrika tsy kristiana na mitory hevitra ambadika miafina ireo “sary masina” ampanaovina azy noho ny fankahalany ireto mpanjifany.
Raha te hahalala ny fandehan’ilay horonantsary ianao dia afaka mamaky izany eto ary koa ireo toerana nisehoan’ny tantara azonao jerena antsary
Fanontaniana mipetraka dia hoe mitombina ve ireo tsangakevitr’i Dan Brown nanoratra ny bokiny davinci code? ireto misy hevitra maro samihafa
- ireo antony folo hijerena na tsy hijerena ny Davinci code
- Decoder Da vinci code
- Inty ndray dia manohana aratantara sy arakevitra ny davinci code, raha mahaliana anao (fikiro tsara nefa ny marina izay nambara ay nao t@ fanazavan’ny soratra masina)
- izay mbola amafisin’ity pejy ity
- valitenin’ny Catholiques : dossier da vinci code sy ny Opus dei ary ireo pejy hafa notsongaina
- hevitry ny psychanalyste
- hevitr’ireo zay mandala ny fotokevitra merovegiens na taranak’i Marie madeleine
Manoloana ireo hevitra marobe mivoitra momba io horonantsary io (sy ny boky nialoha azy) dia tsy mety raha mangina isika izay mifikitra @ fahamarinana sy ny lalana mahitsy dia Jesosy izay fahamarinana sy lalana, tonga hamonjy izao tontolo izao jaona 14:6. Ka tsy havilivilin’izay fampianarandiso rehetra hanamaizina izany lalana tokana nomen’Andriamintra hamonjena antsika izany. Efa ela hatramin’ny voalohany (niforonan’ny tany) eny talohan’zany aza no efa niezaka satana sy ny mpanaraka azy mba hamitaka sy hamily lalana ny olombelona ka tsy ahitany ny tena famonjen’Andriamanitra. Ary betsaka ireo hevitra noforon’ny olona, mifototra amin’ny anganongano na honohono na koa fombafomba nolovaina t@ razambe eny mety ho lovantsofina aza, izay mamitaka tokoa raha tsy mandinika izany manoloana ny tenin’Andriamanitra. Tanisaiko vitsy eto ny momba ny fotokevitra merovegiens izay milaza fa nanambady an’i Marie Madeleine Jesosy ka nanome taranaka mpanjaka izay tokony handray ny fahefana nomena azy amin’ny mahampanjaka azy (tsy mifototra araka ny tenin’Andriamanitra izany hevitra izany), ao koa ny resak illuminati ireo izay milaza fa mitahiry ny tsiambaratelo miafina momba ny fiarahan’i Jesosy sy Marie Madeleine (inon tokoa moa no tokony hiarovana iznay ho tsiambaratelo raha nisy izany???, fa ny fantatra dia ny ratsy miafina sy fanompoantsampy maizina ataon’izy ireo any ambadika any no mody hamarininy amin’izany excuse izany), eo koa moa ny resaka franc maçonnique izay nohalaliniko ary voaresako @ ity bilaogy ity, ao ny epistilin’i filipo, ao ny epistilin’i Jodasy, misy moa ireo izay mahita inspiration mihitsy ka mahaforona “boky masina inspiré ” toy livre de mormons…sns. Inona moa no tsy efa nataon’ny olona mba hikosehana ny fahamarinana e, tsis fomba tsy natao, hatramin’ny fanenjehana mihatra aman’aina ka hatra@ intoxication sy lainga handotoana ny marina…zay lay asan’rain’lainga. Ary tandremo fa ny tena lainga dia mifototra amin’ny sombimpahamarinana kely, fa saingy navily kely lainga kely (mampitandrina anareo manao lainga masina, lainga kely , kely fotisny, fa reny no tena lainga ratsy ndrindra satria tsy ho hay mihits ny mampisaraka azy @ ilay marina miaraka aminy fa voaloto miaraka aminy ny marina). Nampian’i menarana “tsy ..” kely fotsiny ny tenin’Andriamanitra dia izay no vita, mba nanao koa i satana t@ naka fanahy an’i Jesosy nampiasa andinintsoratra masina tsara tareh, fa ny ao ambadiki’izany dia fitaka sy saindratsy fotisny..
Fintiniko amin’ny hoe, tsy marimpototra akory ny tantaran’i Dan brown ao @ DaVinci code fa fiction fotsiny entiny hiampangana ny organisation religieuse catholique fa nahavita heloka bevava mba hanafenana ny fahamarinana momba ny fiainan’i Jesosy. Rehefa taritiny nefa ny resaka dia mametraka fampianarana hafahafa sy tsy marimpototra momba ny mpamonjy, ary manome vahana ny fampianarandiso momba ny lovantsofina sy ny anganongano taritin’ireo zay te hahazo tombony amin’ny hoe ho zanak’i Jesosy…mba sambatra hihihi, ary koa te hanome rariny ireo mpanompo sampy sy mpangoronkarena templiers izay nampiasa ny rivotra politika sy arapivavahana t@ izany fotoana zany hanaovany ny asa ratsiny. Ity no mba hevitra mifanakaiky @ ahy momba ny Da Vinci code amafisin’zay efa hita rehetra teo:Le Da Vinci Code : Réalité ou Fiction ?
Amaranako azy de efa miala any koa ny tournagen’ lay tantara antsary izay mitsikera ny fitondrampiangonana t@ fotoan’androny ary mamafy lainga sy fanosorampotaka an’i Kristy mitondra ny lohateny hoe “Anges et Demons”… à suivre