Ny didin’ny fotoana
Ny didin’ny fotoana
Iza no tsy miaiky sy mitaraina ankehitriny fa tsy ampy ny fotoana, fohy ny androntsika, tsy ampy intsony ny fahafahana manao zavatra iray satria voafetra arapotoana isika olombelona.
Henjana ny didy ary tsy azo ivalozana, fa tsy misy manana mihoatra ny 24 ora isan’andro ny olombelona, tsy misy afaka mamafa sy manova ny lasa na dia 1 secondra dila aza, tsy misy mahasoratra mialoha ny hoaviny, na dia ny hoavy afaka 2 secondra aza. Tsy misy afaka mahita anzany hoe faha 150 taonany zany. Efa voapetraka sy voakajy ao anatin’ny tsirim-pahalalana ADN ntsika olombelona ny halava faran’ny ambony amin’ny androntsika. Hatramin’izao dia tsy mbola misy manampahaizana na mpikaroka mahay, mahavaha io misitery io.
Nahoana no voafetra loatra toy izany isika? Ary iza no nametra antsika? ary nahoana no voafetra isika? Miteraka inona ho antsika ny fahitana fa voafetra isika? Aiza ny fahalalahana (liberté),? Mahatsiaro ho afapo ve ianao @ fotoana nomena anao hiainanao? Atao ahoana ny handaniana amin’ny tena tokony ho izy ary tsy anenenana ny taombitsy kely iainantsika?… Izany rehetra izany no fanontaniana sarobaliana izay tsy mbola nisy nahavaly hentitra ho fahalalana universelle mazava ny manampahaizana erantany.
Inty ambarako anao ny lazain’Ilay nanao azy ny misiterin’ny Fotoana