Noely noely fety malaza
Inona tokoa moa ny fety noely? avy aiza?
Aoka ho iray hevitra isika fa tsy ny datinandro no zavadehibe holazaiko eto, na ny fety sy ny fombafomba amin’izany, fa Kristy sy ny nahatongavany tety antany… izany no ankalazaina @ fety noely.
Mahatsapa ve isika fa nahatonga ny sombiny kely @ tantaran’ilay Kristy Mpamonjy tonga teto antany ho tafampita @ taranaka nifandimby maro ve ny fankalazana “fety noely”?
Izay zavatsoa izay dia heveriko mbola tsara hotohizana sy araraotina mihitsy aza ho fitoriana ny famonjena, ny tena mampatahotra ahy aza dia ny fanafoanana izany fety izany sy ny firoran’izany ho lasa fety commercial sy haha maty aloka ny tena antony dia ny fahaterahan’ny Mpamonjy.
Tsy ny daty no zavadehibe, tsy ny fety ihany koa, tsy ny fombafomban’ny olona, fa Kristy teraka ho Mpamonjy tsarovana,
“Fa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omentsika, ny fanapahana dia eo antsorony, ary ny anarany dia atao hoe…Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny Mandrakizay, Andrian’ny fiadanana….” Mbola haiko tsy anjery mandrak’androany io tenin’Andriamanitra io, rehefa nianarana sy nataonay ankizy tsianjery t@ krismasy, efa ho 25 taona lasa zay…
(more…)