Archive for March 16th, 2010

Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro

Tuesday, March 16th, 2010

 Alive With Color

"Ary amin’izany ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy. Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino." (Matio 13:43)

Mamaky an’ity andinintsoratra masina ity eto aho de velontsento kely. De marina tokotrany ne izany e, indray andro any, mety tsy ho ela fa ato ho ato…de hamirapiratra toy ny masoandro tokoa ny fahamarinana…..ary hamirapiratra tahaka izany koa ny marina

Asa nareo aloha fa @ zao fotoana itenenana izao aloha dia maizina, ary miraparapa ao anatin’ny fahamaizinan’ny tsy fahamarinana mihitsy isika olombelona. Maizina mikitroka, tsy ahitana izay aleha intsony. Fa izay rehetra fisainan’ny olona dia ratsy avokoa. Isaky ny izay atao, na izay jerena dia manontany tena foana hoe inona indray zao no maizina ao ambadik’io ao!!! Tsy mandry mihitsy ny saina andro aman’alina noho ny afitsok’ny olombelona…. mira tsy hitovy ny t@ andron’ny Noah mihitsy?? Gen 6:5

(more…)